TSY FERANA : Erick MANANA

TSY FERANA : Erick MANANA
https://youtu.be/0S7Xs-3fSi8
Madagaskarska uspavanka

Misy fitia tsy mety maty
Fa mifikitra ao am-po e
Hodian-tsy hita mankarary
Alevina tsy mety lo

Totofana vao miha-mitsiry e
Ilaozana manangatra a
Injao fa re mangirifiry
Nefa ianao tsy tazana
Salovanao mandindona a

Fitiavako anao tsy ferana e
Maditra tsy hay lembenana o
Mandoro raha kobonina

Fitiavako anao tsy ferana e
Maditra tsy hay lembenana o
Mandoro raha kobonina

Ny lalana nizorantsika
Anefa ity tsisy hirika
Fa lalan-tokana izy ity
Ny vavahady rindrina

Ny fo mitempo sisa reko
Izy tsy mety mionona
Tsy te-hahalala hoe hatreto
Misy tsy azo ihoarana
Mitia tsisy tahotra

Fitiavako anao tsy ferana
Maditra tsy hay lembenana o
Mandoro raha kobonina

Fitiavako anao tsy ferana
Maditra tsy hay lembenana o
Mandoro raha kobonina

Najnovije